Mariazy
Eto anatrehan'Andriamanitra no ampakarako anao ho vadiko, satria Masina loatra ny Fanambadiana
Ry malalako, ry sombin'aiko
Fifaliana ho ahy ny ilaza aminao fa:
Ampakatra anao ho vadiko aho
Ry malalako, ry sombin'aiko
Fifaliana ho ahy ny ilaza aminao fa:
Mampakatra anao ho vadiko aho
Ry malalako, ry Fitiavako e!
Fifaliana ho ahy koa milaza aminao fa:
Manaiky ny ho vadinao aho
Ry malalako, ry Fitiavako e!
Fifaliana ho ahy koa milaza aminao fa:
Manaiky ny ho vadinao aho
Hiaraka isika hifampitantana
Jesosy zokitsika no andry iankinantsika
Raha hianavaratra isika hirongo tantely
Raha hianatsimo indray anie hivimbina akondro e!
Raha hiakandrefana isika hianoka hasambarana a!
Raha hiantsinanana ho tojo ny manjara a!
Ry malala! aoka hifankatia isika fa avy amin'Andriamanitra ny Fitiavana!
kt ambatovinaky
2019 Album 6 , R Martin