Tsy ny lalana no sarotra
Heeeeeeeeee!
Tsy ny lalana no sarotra
Fa ny sarotra no lalana
Tsy ny lalana no sarotra
Fa ny sarotra no lalana
Tsy ny lalana no sarotra, na dia mideza mahafanina aza
Tsy ny lalana no sarotra,
Na dia maizina mikitroka aza
Tsy ny lalana no sarotra,
Ho antsika zanak'Andriamanitra
Tsy ny lalana no sarotra,
Fa ny sarotra no lalana
Hoy Jesosy, aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana
Nefa matokia, fa izaho efa naharesy izao tontolo izao
Kristiana namako ô, tsy maintsy mijaly isika
Kristiana namako ô, tsy maintsy sedraina isika
Kristiana namako ô, aoka hifaly isika
F'efa mby akaiky e! ny famonjena antsika
Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneo famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azony atao, na ny olom-boafidy aza dia ho fitahiny!
Iny Jesositsika iny e! niakatra any an-danitra
Talohan'ny nandehanany izy e! e! nanafatrafatra
Hoe: mitandrema ianareo fa sao voafitaky ny mpaminany sandoka
Mivavaha mandrakariva e! e! e! aza mitsahatra a!
Iny e! (Basse)
Iny Jesositsika iny e! niakatra any an-danitra
Talohan'ny nandehanany izy e! e! nanafatrafatra
Hoe: mitandrema ianareo fa sao voafitaky ny mpaminany sandoka
Aoka ny Baiboly sy ny vavaka no fitaovana asandratra miaraka a! (3x)
Tsy ny lalana no sarotra,
Na dia mideza mahafanina aza
Tsy ny lalana no sarotra,
Na dia maizina mikitroka aza
Tsy ny lalana no sarotra,
Ho antsika zanak'Andriamanitra
Tsy ny lalana no sarotra,
Fa ny sarotra no lalana
Andriamanitra tsy mandao antsika!
kt ambatovinaky
2019 Album 6 , R Martin