Faratampom-pifaliana
Mitopatopa ny fiainako eto an-tany
Anio mifaly, ampitso mety hitomany
Sento taraina toloko tsy misy hiafarany
Amboary ny foko Jesosy mba hazaka izany
Mampahery ahy ny teninanao Jesosy ô
Milaza iano fa amboatra toerana ho ahy
Ka ho avy indray, ho avy ka handray ahy Ianao Jesosy ô!
Faingana Tompo Malala faingana avia!
Ny faratampon'ny fifaliako anie Jesosy ô!
Dia hitsena anao eny an-drahona ambony
Rehefa tonga ianao ka hiantso ny anarako ô!
Ho tanteraka tokoa ilay hasambarako
Ho raisinao, ny tanako ô! ô!
Trotroinao aho hiankina eo antratranao
Dia entinao miakatra ho any an-danitra
Ao aminao, ao andapanao
Vahiny aho no eto izao
Fa tompo-trano ao an-danitra ao
Ny lanitra ho fonenako mandrakizay
Ny lanitra ho fonenako mandrakizay
kt ambatovinaky
2019 Album 6 , R Martin