Jesosy ô!
'Reo fampianaranao, nampitondraina
Tiko tafapaka, latsaka am-po
'Reo 'zay nandre anay ampahazo hery
Hamoa zato heny ny teninao
Kanefa re Jesosy ô! manahy ihany aho
Fa mpanomponao tokoa nefa tsy niasa ahasoa fa fahazarana mandalo avokoa
Mba namafy koa nefa tsy namoha
Mba nanao asa soa fa tsy tamin'ny fo
Omeo fahendrena aho anao ny asanao
Hanompo hanaraka anao
Ny hira izay fanao
Nasandratray, mba ho fiderana Masina
Hanako fatratra, hatrany andanitra
Hira toriteny sy vavaka
Kanefa re Jesosy ô! manahy ihany aho
Fa ny hira izay natao toa zava-poana avokoa fa teo imoltra ihany hatrizay
Hira tsara mahafinaritra, nefa tsy tafakatra amin'Andriamanitra, omeo fahendrena hanao ny asanao, hanompo hanaraka Anao
Jesosy ô! (ô tafio hery aho hanao ny sitrakao)
kt ambatovinaky
2016 Album 4 , Naivo