Mamindrà fo
Mamindrà fo amiko Jehovah Ô!
Fa nanao izay ratsy foana, aminao aho
Ôh vonjeo re, fa very ity mpanomponao
Mamindrà fo, mamindrà fo mitalaho aho
Mifona aho, miangavy aho mba mamelà
F'efa nanota taminao aho
Tsy mendrika na dia iantso ny anaranao
Mamindrà fo ity zanakao
Maro loatra Tompo ireo fakam-panahy
Mba mangataka aminao izahay
Omeo hery mba handresy toa anao
Faniriko ny ho eo anilanao
Mifona aho, miangavy aho mba mamelà
F'efa nanota taminao aho
Tsy mendrika na dia iantso ny anaranao
Mamindrà fo ity zanakao
Be ny ditra adalana vitako
'Zay nataoko tsy mba nahasoa
Ireo didy efa napetraka mba harahinay
Nodikainay izy ireo atramin'izay
Mifona aho, miangavy aho mba mamelà
F'efa nanota taminao aho
Tsy mendrika na dia iantso ny anaranao
Mamindrà fo ity zanakao
Ou! ou! ou! Mamindra fo Rainay Malala ô!
Araky ny habe ny famindram-ponao
Mifona aho miangavy aho mba mamelà ny fahotako ianao
kt ambatovinaky
2016 Album 4 , Dr Tianarivelo