Manga volon-danitra

Inty misy fitia,
Banjinonao Maharitra,
Fitia maha-te ho tia,
Miloko mahafinaritra,

Fitiavana manga volon-danitra,
Manintona mambabo ny fo,
Hetsehiny ny fo tsy maharitra,
Midobodoboka mafy tokoa
Izay ilay hery, mahagaga,
Miloko lanita manga,
Miloko lanita manga,
Sy mampisava ny adin-tsaina,
Mamelombelona ny aina
Manila ny aretiko, manafaka ny sentoko,
Sy manamafy ny finoako hatoky Ilay Mpamonjiko!

Irio io Fitiavana io, ao amin’Andriamanitra,
Fidio sy itafio ‘lay manga volon-danitra.

Fitiavana manga volon-danitra,
Manintona mambabo ny fo,
Hetsehiny ny fo tsy maharitra,
Midobodoboka mafy tokoa
Izay ilay hery, mahagaga,
Miloko lanita manga,
Miloko lanita manga,
Sy mampisava ny adin-tsaina,
Mamelombelona ny aina
Manila ny aretiko, manafaka ny sentoko,
Sy manamafy ny finoako hatoky Ilay Mpamonjiko!

kt ambatovinaky

2000 Album 2 ,  KT Ambatovinaky