Andriamanitra Mpamonjy Mahery
Andriamanitra ô! Mpamonjy mahery
Ianao no hany fanantenako
Ny ranomasina manonja ery
Tohano aho mba hahery fo
Iza no sakaiza ety an-tany
‘Zay hampionona ny fo sy fanahy
Ho aiza moa aho fa tsy aminao
Ianao no sakaiza tsy mba mandao
Zay mijaly kivy tra-pahoriana
Hiantoraka Aminao mitaraina
Hahazo toky sy hery vaovao
Hitraka tokoa raha anilanao
Zay miandry Anao dia tsy mba ho resy
Raha miady sy mitolona irery
Atsotranao ireo sandrim-pitia
Hiaro ny dia ho tody ery
kt ambatovinaky
2000 Album 1 , KT Ambatovinaky