Misaotra anao mampiasa ity Application ity


Ity "Application" ity dia natao ho an'ny zavatra mihodina amin'ny "Android" na Android OS ihany. Marihana fa Android version 5 + ihany no afaka asiana azy.

Toy izao ny fampiasaina azy:
1- Alaina ny KTAmbatovinaky.apk
2- a) Raha efa misy ao aminao dia esorina na Désinstallé, avy eo ampidirina na Installé ilay vao nalaina teo.
     b) Raha tsy mbola misy ao aminao dia ampidirina tsotra na Installé.

Ireto daholo ny zava-baovao hitanao ao:
1- Novaina ny loko ankapobeny mba hanatsara ny hita maso.
2- Nahitsy ireo tonon-kira diso rehetra.
3- Niezahana nampifanarahana amin'ny fomba fihirana ny tonon-kira.
4- Nasina Zoom ny tonon-kira mba ho hita tsara.
5- Nasina favoris ny hira rehetra mba hitehirizana ireo hira tena ankafizinao.
6- Ny mode "Recherche" dia nohatsaraina mba hanamora ny fikarohana ny hira.

Raha misy fanamarihana na zavatra tinao hatsaraina momba ity "Application" ity dia aza misalasala mandefa hafatra mivantana aty aminay.

Email: contact@ktambatovinaky.mg